boozih

Ato daholo zay tia blabla oh!!!!!!!!!!!!!!!!!

Hihihihihih!!!!!!!!!!!!!!!

tuttifruti | 10 Martsa, 2006 09:18

Resa-behivavy

Nanao fanadihadiana mikasika ny fiainan’ny vehivavy ity mpikaroka iray ka nony vitany ny fikarohana nataony dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izy…
- Vehivavy tahaka ny ahoana, andriamatoa mpikaroka, no tena mahafantatra izay misy ny alehan’ny vadiny ?
- Tsotra … Ny vehivavy maty vady !

Teny verin-droa !
- Ny teny rankizy rehefa averina in-droa dia manalefaka ny hevitra tiana holazaina. Ohatra : marary, rehefa atao verin-droa izay dia lasa malefaka kokoa satria lasa hoe : mararirary ! Mazava ve ?
- Mazava Ramose !
Nony natao ny fanadinana dia nahazo naoty tsara daholo ny ankizy rehetra afa-tsy i Benangy izay nahazo "zéro". Nony tonga tany an-tranony izy vao tsaroany tampoka ilay lesona momba ny teny verin-droa…
- Rehefa averina in-droa ny teny hoy Ramose dia lasa malefaka kokoa…Hoy izy nieritreritra sady niditra ny varavarana !
- Firy ny naotinao tamin’ny fanadinana ry Benangy ?
- "Zerôzerô" ry neny a !

Ady amin’ny "frôm"…

- Dain ! Vao miala ny kiraron’ny dada dia mamofona be !!!
- Efa misasa tongotra foana l’ty aho fa vokatry ny hafanana be io a !
- Inona no hidiran’ny hafanana amin’izany ?
- Ny hafanana l’ty mahatonga ny fofona hivoaka a, fa ny hatsiaka kosa tsy mamoaka fofona. Hitan’la ny sakafo rehefa atao ao anaty frigô dia tsy masiso na dia mafana aza ny andro!
- Hay ve …
Nony ampitso …
- Nahoana no asian’ialahy glasy be dia be toa izao ny kiraroko ?
- Amin’izay mahatana fofona ry dada a !

Fangy

Tao amin'ny SAFF (Sekoly Ambaratonga Faharoa) iray no niseho ny
tantara.Taranja Frantsay tamin'izay. I Ramose mpampianatra dia tena
masiaka be mihitsy ka dia natahotra azy daholo ny mpianatra. Ary ny
zavatra tsy tian-dRamose indrindra dia ny miteny gasy mandritry ny ora
fampianarany. I Lita sy i Fangy miara-mipetraka eny amin'ny dabilio
farany, mangovitra mafy miandry tour fa adinin'dRamose lesona
mifanesisesy isan-databatra ny ankizy.

Izy mirahalahy ireo moa dia anisan'ireo mpianatra tena tsy mahavoa
mihitsy amin'ny taranja Frantsay. Nisesy ary ireo mpianatra adinin-
dramose lesona. Mpianatra 4 sisa dia tokony ho anjaran'i Fangy. Tena
mangovitra mipararetra mihitsy ilay ranamana fa izay fanontaniana
apetrak'i Ramose amin'ireo ankizy eo alohany dia tsy misy hainy
mihitsy. Farany mafy loatra ny "stress" tsy tantiny intsony ka dia
nitsipaka safotra teo ambony seza teo i Fangy. Taitra mafy dia mafy i
Lita teo akaikiny nahita izany ka hoy izy niantsoantso mafy:

- M'se, m'se, Fangy,... Fangy,... fangetorana (Fangy est torana).

Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb