boozih

Ato daholo zay tia blabla oh!!!!!!!!!!!!!!!!!

"Fahantrana sa lamaody" hoziz'i Salaud

tuttifruti | 10 Martsa, 2006 09:12

Nikarokaroka tato anaty trano kala oa za! Nisy ady hecitra kely iray izay nanintona ny masoko! Tsy pour na contre an'ny zavatra tenen'i Salaud za fa mahalasa saina ihany ny zavatra teneniny no sady mahatsikaiky!

Ity ary lé izy!!

"Mba mahalasa saina kely ihany ry zareo ny fihaingon' ny vehivavy ankehitriny. Tsy hay intsony na mariky ny fahantrana na tena lamaody. Indro ianareo omeko ohatra maromaro:
- Raha lamba 1 metre taloha nahavitana kilaoty ( slip ) 20 dia ankehitriny izany mahavita hatramin' ny 100 eo ho eo amin' itony antsoina hoe STRING.
- Torak' izany koa ireto akanjo ambony ankehitriny: toa tsy ampy intsony ny lamba hany ka ny anoloana ( devant ) ihany sisa no rakofana fa ny lamosina ( dos ) rehetra dia efa miseho avokoa. Mangony fotsiny ny halavany satria tsy hay hoe diso refy sa ahoana fa dia miseho toraka izany ihany koa ny FOTRA.
- Raha misarona tsara ny NONO taloha dia zara raha misarona izy ankehitriny fa dia presque hiseho mihitsy.
- Ny taty nono ( SOUTIEN ) indray dia zara raha tady kely sisa no mihazona azy. Ao ary ireo tsy mahatakatra lamba intsony fa dia atao plastique transparent no solon' io tady mihazona azy io. Tsy ny NONO iray manontolo no misarona amin' izao fotoana izao fa dia ny atsasany ( demi ) ihany. Tsy ampy angamba ny lamba nanjairana azy.
- Ny zipo ( jupe ) indray dia tsy dia mandany lamba firy satria na lamba 1/4 de metre aza dé efa mahavita intony antsoina hoe MINI-JUPE intony.
- Mikasika io ZIPO ( jupe ) io ihany, dia ireo mba mahavidy lamba indray dia tsapa fa tsy mahavidy kofehy ( fil ) angamba satria raha manjaitra intony JUPE lava intony dia miseho avokoa ny fehy ( cuisse ) satria tataka be ny zaitran' ilay jupe.
- Raha ny pataloha ( PANTALON ) indray no resahina dia tsapa fa intony mifinjifinjy intony no be mpanao ankehitriny, raha somary malaladalaka izy taloha. Hany ka lasa manara-batana hoy ny fitenenana. Mifaritra tsara avokoa amin' izay fotoana izay ny bikan' ilay tovovavy na ny manoloana na ny avy ao aoriana.
- Raha tsy izany indray dia intony antsoina hoe: "taille basse", tsy hay hoe tsy nifankahazo ve ny resaka sy ny refy tamin' ny mpanjaitra sa dia efa izay mihitsy no izy. Tsy mahamenatra intsony nadia somary miseho ary ilay kilaoty antsoina hoe STRING. "

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb