boozih

Ato daholo zay tia blabla oh!!!!!!!!!!!!!!!!!

Ry adalana

tuttifruti | 16 Martsa, 2006 08:34

Maro amitsika no efa nahavita adalana teto amin'ity fiainana mandalo ity! Tsy ny tanora ihany anefa no manao izany, fa na dia ireo efa zokiny be aza dia mbola "misary adala" foana!

Ao anatin'izany adalana izany indrindra mantsy no tena ahitana ny fiainana! Zaho akory tsy manentana atsika anao izany an!

Ao ohatra ny fisotrosotroina, na ny fifohana, na ireo ditra maro isan-karazany! Iza tamitsika moa no tsy nanao an'ireny?

Za manokana aloha dia tantaraiko ny mbo ditrako kely nataoko tamin'izany fotoana zany!

Fanaonay moa isan-taona ny maka rivotra any Ambila Lemaitso. Ary fotoana maharitraritra mihitsy no hijanonanay any! Mandeha aloha ny roa andro voalohany, mbola tsy mivoaka raditra, mbola tsisy demony mangitikitika!

Tonga amin'izay ny andro fahatelo! Manomboka mahazo namana!Dia raikitra amin'izay ny feu de camp isak'alina isak'alina! Izahay moa, sendra an'izay  ray aman-dreny mahafinaritra sy mahatoky ny zanany dia, navelany nivoaka izahay. Moa ny zokiko lahy ihany koa nanaraka anay!

Ny zavatra tsara ihany koa nandritra io fotoana io dia tsy mbo nisy ny gafigafy, satria tsy nisy nisotrosotro!

Sendra an'ny oram-be nefa izahay indray alina izay, ka tena kotsa! Tsy nisy na elo iray aza! Ny trano mbola lavitra ihany! Ataoko hoe eo @ gare an'ny soarano k atrany ankadifotsy!!!

Nahafinaritra tokoa rey olona tamin'izany! Nahalala zava-baovao, fa indrindrindrindra, nahita namana vaovao!

Zay ry reto a! Manaraka indray manao bebe e!

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb