boozih

Ato daholo zay tia blabla oh!!!!!!!!!!!!!!!!!

Io tsikitsiky io!

tuttifruti | 12 Martsa, 2006 07:11

Maro amitsika no tia mitsikitsika lava! Zaho manokana aloha, toa tsy misy androny mitsy dfa dia mihomehy foana! Tsy hita rey olona fa dia tsy azo tazonina izy ireny tsindraindray!

Mahamenatra ihany tsindraindray fa dia na amin'ny fotoana tsy tokony hiomehezana ary lasa miomehy tsy fidy!

Amin'io fotoana io indrindra anefa, arakaraka ny hitazomanao ny fihomezanao no vao maika ianao te hiomehy!

Zay fa hafatra ihany ny ahy ity! Rehefa te hiomehy amin'ny fotoana tsy tokony hiomehezana ianao dia aza aderadera io nify io!!!!!!!!!!!!

Portrait chinois-ko

tuttifruti | 10 Martsa, 2006 09:47

- "Si j'étais un objet, je serais une bague en argent!". Tsy mahataitra an'ny mpisam, nefa eny an-tanan'olona fona! Misy mpikarakara fona!

-"Si j'étais une saison, je serais l'été". Tsy misalasala aho milaza izany! Tiako be ny andro mafana! Afaka milomano, manao activité bedabe et j'adore le soleil!

-"Si j'étais un plat, je serais des frites". Io no sakafo be mpankafia indrindra eran-tany ary za koa mbo tia an'io eh!

-"Si j'étais un animal, je serais un dauphin". Mahafatifaty be ny fahitako azy ireny! Tia zavatra vita @ dauphin koa za! Ary mahatsiaro ho sambatra za raha mipetraka any anaty rano!

-"Si j'étais une chanson, je serais frère Jacques". Fantatry ny be sy ny maro, de génération en génération, na kely na lehibe, na gasy na vazaha mahalala azy daholo! Enfin, presque!

-"Si j'étais une couleur, je serais le bleu". Io no loko tiako indrindra!

-"Si j'étais un roman, je serais un roman d'amour bien sur!!!": Fitiavana ny fiainana dia io no mbo tiako!

-"Si j'étais un personnage de fiction, je serais Will Smith"! Tsy d tia film fiction lotra moa ny tena d tsy mahita ambara firy eh!

-"Si j'étais un film je serais Mr Bean". Tiako loatra ny mahita olona faly lalandava!

-"Si j'étais un dessin animé, je serais Tom et Jerry!".  Sady tsy dia lava no mampihomehy

-"Si j'étais une arme, je serais un couteau". Tsy tia vono olona za! D au moins ny olon-dratsy mbo maratra fotsiny!

-"Si j'étais un endroit, je serais une île déserte avec pleins d'arbres fruitiers et pleins d'animaux sauvages non carnivores et où il fait toujours beau"

-"Si j'étais une devise, je serais je t'aime". Teny mamy mahafinaritra ny fo ny maheno azy!

-"Si j'étais un oiseau, je serais un perroquet ". Izy irery no vorona mbo afaka miteny, ary za mbo t hiteny raha vorona!

-"Si j'étais un air, je serais un air de Cleyderman". J'adore tout ce qu'il fait!

-"Si j'étais un élément, je serais l'oxygène". Izy no antoky ny aina

-"Si j'étais un végétal, je serais un sapin". Lava andro iainana

-"Si j'étais un fruit, je serais une orange". Manitra, sarotra alaina noho ny tsilo sy ny ahavony!

-"Si j'étais un bruit, je serais celui de la mer ". No comment

-"Si j'étais une fleur, je serais une fleur sauvage". Au moins za tsisy maka fa tsisy mpitia d velona eny fona!!!

Zay eh! alefaso ny com anareo!!!!!!!!!!!!!!

Hihihihihih!!!!!!!!!!!!!!!

tuttifruti | 10 Martsa, 2006 09:18

Resa-behivavy

Nanao fanadihadiana mikasika ny fiainan’ny vehivavy ity mpikaroka iray ka nony vitany ny fikarohana nataony dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izy…
- Vehivavy tahaka ny ahoana, andriamatoa mpikaroka, no tena mahafantatra izay misy ny alehan’ny vadiny ?
- Tsotra … Ny vehivavy maty vady !

Teny verin-droa !
- Ny teny rankizy rehefa averina in-droa dia manalefaka ny hevitra tiana holazaina. Ohatra : marary, rehefa atao verin-droa izay dia lasa malefaka kokoa satria lasa hoe : mararirary ! Mazava ve ?
- Mazava Ramose !
Nony natao ny fanadinana dia nahazo naoty tsara daholo ny ankizy rehetra afa-tsy i Benangy izay nahazo "zéro". Nony tonga tany an-tranony izy vao tsaroany tampoka ilay lesona momba ny teny verin-droa…
- Rehefa averina in-droa ny teny hoy Ramose dia lasa malefaka kokoa…Hoy izy nieritreritra sady niditra ny varavarana !
- Firy ny naotinao tamin’ny fanadinana ry Benangy ?
- "Zerôzerô" ry neny a !

Ady amin’ny "frôm"…

- Dain ! Vao miala ny kiraron’ny dada dia mamofona be !!!
- Efa misasa tongotra foana l’ty aho fa vokatry ny hafanana be io a !
- Inona no hidiran’ny hafanana amin’izany ?
- Ny hafanana l’ty mahatonga ny fofona hivoaka a, fa ny hatsiaka kosa tsy mamoaka fofona. Hitan’la ny sakafo rehefa atao ao anaty frigô dia tsy masiso na dia mafana aza ny andro!
- Hay ve …
Nony ampitso …
- Nahoana no asian’ialahy glasy be dia be toa izao ny kiraroko ?
- Amin’izay mahatana fofona ry dada a !

Fangy

Tao amin'ny SAFF (Sekoly Ambaratonga Faharoa) iray no niseho ny
tantara.Taranja Frantsay tamin'izay. I Ramose mpampianatra dia tena
masiaka be mihitsy ka dia natahotra azy daholo ny mpianatra. Ary ny
zavatra tsy tian-dRamose indrindra dia ny miteny gasy mandritry ny ora
fampianarany. I Lita sy i Fangy miara-mipetraka eny amin'ny dabilio
farany, mangovitra mafy miandry tour fa adinin'dRamose lesona
mifanesisesy isan-databatra ny ankizy.

Izy mirahalahy ireo moa dia anisan'ireo mpianatra tena tsy mahavoa
mihitsy amin'ny taranja Frantsay. Nisesy ary ireo mpianatra adinin-
dramose lesona. Mpianatra 4 sisa dia tokony ho anjaran'i Fangy. Tena
mangovitra mipararetra mihitsy ilay ranamana fa izay fanontaniana
apetrak'i Ramose amin'ireo ankizy eo alohany dia tsy misy hainy
mihitsy. Farany mafy loatra ny "stress" tsy tantiny intsony ka dia
nitsipaka safotra teo ambony seza teo i Fangy. Taitra mafy dia mafy i
Lita teo akaikiny nahita izany ka hoy izy niantsoantso mafy:

- M'se, m'se, Fangy,... Fangy,... fangetorana (Fangy est torana).

"Fahantrana sa lamaody" hoziz'i Salaud

tuttifruti | 10 Martsa, 2006 09:12

Nikarokaroka tato anaty trano kala oa za! Nisy ady hecitra kely iray izay nanintona ny masoko! Tsy pour na contre an'ny zavatra tenen'i Salaud za fa mahalasa saina ihany ny zavatra teneniny no sady mahatsikaiky!

Ity ary lé izy!!

"Mba mahalasa saina kely ihany ry zareo ny fihaingon' ny vehivavy ankehitriny. Tsy hay intsony na mariky ny fahantrana na tena lamaody. Indro ianareo omeko ohatra maromaro:
- Raha lamba 1 metre taloha nahavitana kilaoty ( slip ) 20 dia ankehitriny izany mahavita hatramin' ny 100 eo ho eo amin' itony antsoina hoe STRING.
- Torak' izany koa ireto akanjo ambony ankehitriny: toa tsy ampy intsony ny lamba hany ka ny anoloana ( devant ) ihany sisa no rakofana fa ny lamosina ( dos ) rehetra dia efa miseho avokoa. Mangony fotsiny ny halavany satria tsy hay hoe diso refy sa ahoana fa dia miseho toraka izany ihany koa ny FOTRA.
- Raha misarona tsara ny NONO taloha dia zara raha misarona izy ankehitriny fa dia presque hiseho mihitsy.
- Ny taty nono ( SOUTIEN ) indray dia zara raha tady kely sisa no mihazona azy. Ao ary ireo tsy mahatakatra lamba intsony fa dia atao plastique transparent no solon' io tady mihazona azy io. Tsy ny NONO iray manontolo no misarona amin' izao fotoana izao fa dia ny atsasany ( demi ) ihany. Tsy ampy angamba ny lamba nanjairana azy.
- Ny zipo ( jupe ) indray dia tsy dia mandany lamba firy satria na lamba 1/4 de metre aza dé efa mahavita intony antsoina hoe MINI-JUPE intony.
- Mikasika io ZIPO ( jupe ) io ihany, dia ireo mba mahavidy lamba indray dia tsapa fa tsy mahavidy kofehy ( fil ) angamba satria raha manjaitra intony JUPE lava intony dia miseho avokoa ny fehy ( cuisse ) satria tataka be ny zaitran' ilay jupe.
- Raha ny pataloha ( PANTALON ) indray no resahina dia tsapa fa intony mifinjifinjy intony no be mpanao ankehitriny, raha somary malaladalaka izy taloha. Hany ka lasa manara-batana hoy ny fitenenana. Mifaritra tsara avokoa amin' izay fotoana izay ny bikan' ilay tovovavy na ny manoloana na ny avy ao aoriana.
- Raha tsy izany indray dia intony antsoina hoe: "taille basse", tsy hay hoe tsy nifankahazo ve ny resaka sy ny refy tamin' ny mpanjaitra sa dia efa izay mihitsy no izy. Tsy mahamenatra intsony nadia somary miseho ary ilay kilaoty antsoina hoe STRING. "

ho atsika jejojejo na lahy na vavy!!!

tuttifruti | 09 Martsa, 2006 09:19

GOMMAGE :

"Conseils d'utilisation -
Avec la préparation de votre choix, massez doucement votre visage pendant quelques minutes en effectuant de petits mouvements circulaires. Insistez plus particulièrement sur le front, le nez et le menton. Evitez bien sûr la zone fragile du contour des yeux. N'oubliez pas votre cou ainsi que votre décoletté. Rincez enfin abondamment à l'eau tiède.

¤ Gommage à la papaye (ou à la mangue) :
Epluchez une papaye (ou une mangue) et passez-la au mixeur. Appliquez cette "purée de fruit" sur votre visage et procédez comme expliqué ci-dessus.

¤ Gommage au sucre :
Mélangez 2 cuillères à soupe de sucre avec 3 cuillères à soupe d'eau tiède. Appliquez cette préparation sur votre visage et procédez comme expliqué ci-dessus.

¤ Gommage à la noix de coco et au miel :
Mélangez 2 cuillères à soupe de noix de coco en poudre avec 2 cuillères à soupe de miel. Appliquez cette préparation sur votre visage et procédez comme expliqué ci-dessus.

¤ Gommage amande, miel et yaourt :
Mélangez 3 cuillères à soupe de poudre d'amande, 3 cuillères à café de miel et 3 cuillères à soupe de yaourt entier. Remuez énergiquement (vous pouvez incorporer 2 gouttes d'huile essentielle de rose). Appliquez cette préparation sur votre visage et procédez comme expliqué ci-dessus.

Andramo ary de ho hitanareo!!!

Powered by LifeType - Design by BalearWeb